Revelation of John 22

1Ary nasehon’ilay anjely ahy ilay onin’ny ranon’ny fiainana, madio tahaka ny kristaly. Izany dia mikoriana avy any amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry 2mamakivaky eo afovoan’ny lalan’ny tanàna. Ary ny andaniny roa amin’ny ony dia samy misy ilay hazon’ny fiainana, mamoa karazana voa roa ambin’ny folo, ary izany dia mamoa ny voany isam-bolana. Ny ravin’izany hazo izany dia natao hanasitrana ny firenena rehetra.

3Ka tsy hisy intsony ny voahozona. Ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry dia ho ao amin’ny tanàna, ary ireo mpanompony dia hanompo Azy. 4Hahita ny Endriny izy ireo, ary ny Anarany dia ho eo amin’ny handrin’izy ireo. 5Ka tsy hisy alina intsony; izy ireo dia tsy mila fahazavan’ny jiro na ny masoandro intsony satria ny Tompo Andriamanitra no hazava eo amin’izy ireo. Ary hanjaka mandrakizay doria izy ireo.

6Hoy ilay anjely tamiko: “Ireo teny ireo dia azo atokisana sy marina. Ny tompo, ilay Andriamanitr’ireo fanahin’ireo mpaminany, dia nandefa ny anjeliny mba hampiseho izay zavatra tsy maintsy hitranga tsy ho ela amin’ireo mpanompony.” 7Indro! Efa akaiky ny fihaviako! Sambatra izay mankàto ireo tenin’ny faminaniana amin’ity boky ity.”

8Izaho, Jaona, ilay iray izay nandre sy nahita ireo zavatra ireo. Rehefa nandre sy nahita izany aho, dia niankohoka teo amin’ny tongotr’ilay anjely ny tenako mba hidera azy, ilay anjely izay nampiseho ahy ireo zavatra ireo. 9Hoy izy tamiko: “Aza manao izany! Fa mpanompo namanao miaraka aminao aho, miaraka amin’ireo mpaminany rahalahinao, ary miaraka amin’ireo izay mankàto ireo tenin’ity boky ity. Miderà an’Andriamanitra!”

10Hoy izy tamiko: “Aza asiana tombo-kase ireo tenin’ny faminaniana amin’ity boky ity, fa antomotra ny fotoana. 11Izay manao ny tsy marina, avelao izy hanohy ny tsy fahamarinana. Izay maloto fiaina, avelao izy hanohy ny fiainany maloto. Izay marina, avelao izy hanohy ny fanaovana ny marina. Izay masina, avelao izy hanohy ny fahamasinana.”

12“Indro! Efa akaiky ny fihaviako. Ny valisoako dia miaraka amiko, mba hamaliako ny tsirairay araka ny zava-bitany. 13Izaho no Alfa sy Omega, ny voalohany sy ny farany, ny fiandohana sy ny fiafarana.

14Sambatra ireo izay manasa ny akanjon’izy ireo mba hahazo alalana mihinana avy amin’ny hazon’ny fiainana sy hiditra ao amin’ny tanàna avy eo amin’ny vavahady. (Fanamarihana: Raha tokony: “Sambatra ireo izay manasa ny ankanjon’izy ireo.” Ireo antontan-taratasy hafa taloha dia mivaky hoe: “Sambatra ireo izay manao ny didiny.”) 15Fa any ivelany ireo alika, ireo mpanao ody, ireo mpijangajanga, ireo mpamono olona, ireo mpanompo sampy, ary izay rehetra tia mandainga sy ireo mpandainga.

16Izaho, Jesosy, dia nandefa ny anjeliko mba hanambara aminareo ireo zavatra ho an’ireo fiangonana. Izaho no fakany sy taranak’i Davida, ilay kintana mamirapiratra maraina.”

17Ny Fanahy sy ny Ampakarina manao hoe: “Avia!” Aoka izay mandre hiteny hoe: “Avia!” Na iza na iza mangetaheta, aoka izy hanatona, ary na iza na iza maniry izany, aoka izy hahazo maimaim-poana ny ranon’ny fiainana.

18Izaho dia manambara amin’izay rehetra mandre ny tenin’ny faminaniana amin’ity boky ity: “Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy loza ho azy izay voasoratra ao amin’ity boky ity. 19Raha misy manaisotra ny teny faminaniana amin’ity boky ity, Andriamanitra dia hanaisotra ny anjarany amin’ny hazon’ny fiainana sy ny tanàna masina izay voasoratra ao anatin’ity boky ity.” (Fanamarihana: Ny antontan-taratasy taloha dia mivaky hoe: “Andriamanitra hanaisotra ny anjarany ao amin’ny Bokin’ny Fiainana ary ao amin’ny tanàna masina izay voasoratra ao amin’ity boky ity.”)

20Hoy ilay iray izay manambara ireo zavatra ireo: “Eny! Efa akaiky ny fihaviako.” Amena! Tongava, ry Tompo Jesosy! 21Ho amin’ny olona rehetra anie ny fahasoavan’ny Tompo Jesosy. Amena.

Copyright information for PltULB